Ny rano dia ilaina tokoa amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Raha araka fikarohana dia manodidiana ny 60% ny vatan’ny olona dia rano avokoa. Izany hoe raha amina olona iray sahabo ho 70 kg dia misy eo min’ny 42L eo ho eo ny tahan’ny rano ao anatiny. Noho izany manan-danja tokoa ny fisotroana rano isan’andro. Koa satria eo ho eo amin’ny 2 hatramin’ny 2,5 isan’andro ny rano arian’ny vatana iray isan’andro amin’ny alalan’ny amany, hatsembohana, ny fofon’aina (evapo-transpiration) dia tokony misotro farafaha keliny 2L isan’andro isika hamenoana izany fahabangana eo amin’ny vatana izany. Ny rano mantsy dia mampilamina, manaitaitra, manatsara torimaso, mamoaka ny poizina amin’ny vatana, maha tsara ny fikorinan’ny rà, mandrindra ny toe-batana sy ny fandevonan-kanina, ary indrindra koa maha tsara ny voa sy mitazona ny hafanan’ny vatana. Ohatra velona amin’izany i Jean Ba izay tsy farofy mihitsy nandritra ny taona maro noho ny fisotroany rano betsaka isan’andro .